INSPECTION GENERALE DE LA POLICE NATIONALE : HANATSARA NY FOMBA FIASANY NO SADY NAHAZO FITAOVANA AVY AMIN’NY PNUD

 

??Notoloran’ny PNUD fitaovana informatika toy ny ordinateur sy imprimante ary vidéos projecteur ny Polisim-pirenena tamin’ny alalan’ny Inspection Générale de la Police Nationale (IGPN) hoentina hanatsarana ny asan’ny Polisy izay tafiditra indrindra ao anatin’ilay  » projet d’appui à la réforme sécuritaire à Madagascar » . Tonga nanotrona izany moa ny lehiben’ny IGPN vaovao CGP Rajaonarison José Andrianasolo sy ny talen’ny DLCD ( Direction de la Lutte contre la Corruption et la Discipline) vaovao CGP Rakotoarimanana Herilala.

??TSARA HO FANTATRA
Ny IGPN dia sampana manokana manara-maso ny fomba fanatanterahin’ ny polisy ny asany ao anatin’ny etika sy ny deontolojy ary ny sata mifehy azy ireo .
⭕️⭕️Hisy ny fomba vaovao entina hanatsarana ny sampan-draharaha ka anisan’izany ny:
– fanaraha-maso atao amin’ireo sampan-draharaha samihafa eto anivon’ny Polisim-pirenena hijerena ny lesoka tokony ho harenina sy hanatsarana ny fomba fiaina
– Ny ady amin’ny kolikoly sy ny fihetsika tsy mendrika ataon’ny Polisy
– Ny Fanentanana sy Fampatsiahivina ireo Polisy amin’ny fihetsika tokony hananana sy mifehy (code de déontologie éthique et conduite, statut general autonome de la Police Nationale) azy ireo.

☎️ Azo antsoina amin’ny laharana 034 15 367 20 ny IGPN na ihany koa afaka manatona ny birao etsy Anosy ny olom-pirenena raha toa ka misy ny fihetsika tsy mendrika ataon’ny Polisy amin’ny fanatanterahana ny asany.

INSPECTION GENERALE DE LA POLICE NATIONALE : HANATSARA NY FOMBA FIASANY NO SADY NAHAZO FITAOVANA AVY AMIN’NY PNUD

Vous pourrez aussi aimer