VATSY TSINJO – BORIBORINTANY FAHAROA : NIDINA IFOTONY NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA NANARA-MASO NY FOMBA FIZARANA ILAY FANAMPIANA

 

? Ny Polisim-pirenena no niandraikitra ny fanisana ireo olom-pirenena eny amin’ny boriborintany faharoa mahakasika ny fanomezana sosialim-bahoaka ho an’ny mponina eny an-toerana. Nanomboka androany 24 Aogositra ny fizarana ny fanampiana ara-tsakafo tetsy amin’ny EPP Mandroseza ka tokantrano miisa 1200 no nisitraka izany ho an’ny androny.
⭕️⭕️ Nidina ifotony mihitsy ny Minisitry ny filaminam-bahoaka CGP Fanomezantsoa RANDRIANARISON nijery ny fomba fizarana ilay sosialim-bahoaka mba ho tonga any amin’ny tokantranon’ny malagasy tokony hisitraka izany ny fanampiana nomen’ny Fanjakana. Isan’ny hita teny an-toerana ihany koa ny Minisitry ny Atitany Andriamatoa Tianarivelo RAZAFIMAHEFA sy ny Depiote ny boriborintany faharoa Ramatoa Lanto RAKOTOMANGA nanara-maso ny fizotry ny fizarana ilay sosialim-bahoaka. Tao anatin’ny filaminana tanteraka moa no nizoran’ilay fanampiana ara-tsosialy .

VATSY TSINJO – BORIBORINTANY FAHAROA : NIDINA IFOTONY NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA NANARA-MASO NY FOMBA FIZARANA ILAY FANAMPIANA

Vous pourrez aussi aimer