FIARA TAXIBE – COVID19: MARO IREO TAXI-BE TRATRAN’NY POLISY VAO MARAINA TSY MANARAKA NY FEPETRA.

Hatramin’ny 8ora 30 maraina teo dia miisa 20 sahady ireo taxibe tratran’ny Polisy tsy nanaraka ny fepetra napetraka hiarovana ny olom-pirenena amin’ny fiparitahin’ilay valan’aretina covid-19. Ny tsy fanaovana « Visière » moa no tena hita fa maro tsy manara-dalàna ka voatery nampidinina avokoa ireo mpandeha tao anatiny ary nasaina nanaraka ny fepetra ireo taxi-be tsy nanao izany vao afaka miasa indray.

 

Noentanina mba hanaraka ny lamina napetraka ihany koa ny mpamily sy ny mpanampy azy ho fiarovana azy ireo sy ny mpandeha izay hoentiny .

Voalaza fa ny fiara iombonana no anisany fitaovana iray manaparitaka haingana ilay valan’aretina, noho izany dia mila mitandrina sy manaja ny fepetra izy ireo ho tombontsoan’ny besinimaro rehefa nomena ny fahazoan-dalàna hiasa ihany.

 

FIARA TAXIBE – COVID19: MARO IREO TAXI-BE TRATRAN’NY POLISY VAO MARAINA TSY MANARAKA NY FEPETRA.

Vous pourrez aussi aimer