BC5- FAMONOANA OLONA : NOVONOINY NY RAFOZANY DIA NALAINY NY VOLA ARY NITSOAKA TANY AMIN’NY SIPANY IZY

 

⭕️⭕️ Mpanampy an-trano no nahatongavan’ity lehilahy vao 20 taona ity tao amin’ny tokantrano iray tetsy Soavimasoandro. Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa rafozany ireo olona nampiasa azy satria lasa vadiny ny zanak’izy ireo ary lasa zanaka an-trano tao ity lehilahy ity.
?? Fantatr’ity lehilahy ity avokoa ny fiainana tao an-tokantrano ary tsikariny fa misy vola 15 tapitrisa ariary ao amin’ny efitranon’ny rafozany. Nitsiry tao ny hevi-dratsiny ka rehefa lasa nandeha nivarotra iny ny vadiny sy ny rafozan-dahiny dia novelesiny tamin’ny baramina tao ilay rafozam-baviny ka maty teo noho eo, nalainy tao ilay vola ary lasa izy nandositra .
?Tsy nipetra-potsiny ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahadimy fa nitady ireo nahavanon-doza. Fantatra tamin’izany fa nitsoaka tany Antanetibe Faratsiho ity lehilahy nahavanon- doza ity . Tsy niandry ela fa tonga tany ny Polisy ary tra-tehaka niara-nipetraka tao ilay lehilahy sy ny sipany izay nahafantatra tsara heloka nataony ka nosamborina avy hatrany izy ireo.

BC5- FAMONOANA OLONA : NOVONOINY NY RAFOZANY DIA NALAINY NY VOLA ARY NITSOAKA TANY AMIN’NY SIPANY IZY

Vous pourrez aussi aimer