DIRECTION RÉGIONALE DE LA SÉCURITÉ PUBLIQUE VAKINANKARATRA : NOTOKANANA ANDROANY TAO ANTSIRABE

DIRECTION RÉGIONALE DE LA SÉCURITÉ PUBLIQUE VAKINANKARATRA : NOTOKANANA ANDROANY TAO ANTSIRABE

Trano lehibe misy efitra 31, ka birao ny 21, efitra lehibe 01 fanaovana fivoriana, efitra fitanana olona ka misy ny an’ny tsy ampy taona sy ny ampy taona araka ny mahalahy sy mahavavy.
Trano miteti-bidy 1 milliard 49 millions Ariary ka ny Orinasa Voahirana izay zanak’ANTSIRABE no nanao azy.
Io no trano vaovao azon’ny Polisim-pirenena misahana Fibaikona ny filaminam-bahoaka any amin’ny Faritra Vakinakaratra.
Tonga nitokana izany tany an-toerana ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA izay nanambara fa zava-dehibe ny fijoroan’ny fotodrafitrasa toy izao satria mendriky ny hiasa amin’ny trano manara-penitra toy izao ny mpitandro filaminana, ary indrindra mendrika horaisina amin’ny Birao tsara ny vahoaka manan-draharaha atao.
Ny fijoroan’ny trano vaovao ho an’ny Polisim-pirenena ity dia midika fa zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana ny fandriam-pahalemana. Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa kosa dia nilaza tamin’ny fandraisam-pitenenany fa mipetraka eo amin’ny tantaran’ny Polisim-pirenena ny datin’andro androany satria tao anatin’izay 59 taona nijoroan’ny Polisim-pirenena Malagasy izay dia tsy mbola nisy fananganana fotodrafitrasa manara-penitra toy izao.Izao fananganana fotodrafitrasa izao dia fanatonan’ny Polisim-pirenena ny vahoaka ka mba hahatsapan’ny vahoaka fa eo ny Polisy miaro sy miasa ho azy.

DIRECTION RÉGIONALE DE LA SÉCURITÉ PUBLIQUE VAKINANKARATRA : NOTOKANANA ANDROANY 28 AOGOSITRA 2020 TAO ANTSIRABE

Vous pourrez aussi aimer