MATOTRA NY FIARAHA-MIASA EO AMIN’ NY POLISIM-PIRENENA SY NY MPANAO GAZETY

???? Sehatra roa samihafa saingy mifandray ny fitandroana ny filaminana sy ny asa fanaovan-gazety . Ny andaniny manome ny vaovao ny mpanao gazety amin’izay tokony tsara ho fantatry ny olom-pirenena, ny ankilany mitatitra izany amin’ ny olom-pirenena amin’ny alalan’ireo karazana fitaovan-tserasera maro samihafa. Mifampiankina tanteraka araka izany ireo sehatra roa ireo ka ilaina ny fifankazahoana sy ny fahaizana miara-miasa mba tsy ho tompon-trano miono ny vahoaka malagasy. Isan’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa izay indrindra ny fitsidihana nataon’ny talen’ny holafitry ny mpanao gazety sy ireo mpikambana ao aminy tany amin’ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka any Antsinana no sady nanolotra Arotava ho an’ireo Polisy miasa any an-toerana.

MATOTRA NY FIARAHA-MIASA EO AMIN’ NY POLISIM-PIRENENA SY NY MPANAO GAZETY

Vous pourrez aussi aimer