FANADINANA CEPE : ANKIZY DISO CENTRE D’EXAMEN, TONGAN’ NY POLISY ARA-POTOANA TENY AMIN’NY TOERANA TOKONY HANAOVANY FANADINANA

 

Efa lasa ny Ray aman-drenin’ity zazalahy kely ity kanefa diso centre d’examen izy raha tonga teny amin’ny EPP Analamahitsy .

Ny Polisy niambina teny an-toerana no nanampy ilay zazalahy kely nijery ilay centre sy nandray ny andraikitra nitondra azy hatreny am- baravaran’ilay efitrano tokony hanalany fanadinana tetsy amin’ny CEG Analamahitsy.Tonga ara-potoana teny ilay zaza fa tsy tara ary afaka niatrika tsara ny fanadinana.

Ankoatra izay dia milamina tanteraka ny fiatrehan’ireo mpiadina ny fanadinana CEPE androany maraina ary efa hita miparitaka eny an-toerana rehetra eny ny Polisim-pirenena hiaro sy hanampy ireo zanaka Malagasy miatrika izany fanadinana izany.

FANADINANA CEPE : ANKIZY DISO CENTRE D’EXAMEN, TONGAN’ NY POLISY ARA-POTOANA TENY AMIN’NY TOERANA TOKONY HANAOVANY FANADINANA

Vous pourrez aussi aimer