FIVAROTAN-TENA ANY ANATY TRANOKALAM-PIFANDRAISANA : VOASAMBOTRY NY POLISY ILAY RAMATOA MPAMPIASA IREO TOVOVAVY HIVARO-TENA

?? Ramatoa iray 25 taona no manakarama vehivavy maromaro hivaro-tena anaty internet. Tato amin’ny fb no nahitan’ireo vehivavy hiasa ao aminy ireo. Manana tranokalam-pifandraisana (site web)hifandraisana io Ramatoa io ka ao izy no misera ireo vazaha mpanam-bola any ivelany ary mandefa ny sarimihetsik’ireo vehivavy mivantana amin’ izay mandefa vola aminy.
⭕️⭕️ Ny vehivavy iray dia hahazoan’ ity Ramatoa ity vola 1 800 000ar hatramin’ ny 10 000 000ar satria voatery manao izay tian’ ilay vazaha atao ilay tovovavy Malagasy na tsy mifanaraka amin’ny hasin’ny maha olombelona azy intsony aza izany. Ireo tovovavy manao izany kosa milaza fa lehilahy 05 hatramin’ny 10 isan’andro eo no omen’izy ireo fahafinaretana ka maharitra 15mn hatramin’ny 30 mn eo ny faharetany. Mikarama 200 000 ar eo ho eo ireto tovovavy ireto isam-bolana.
19 hatramin’ny 24 taona ny salan-taonan ‘ ireto ankizivavy mpampanofa vatana ireto ary indroa isan-kerinandro ihany izy ireo no afaka mody any an-tranony na dia mbola misy aza ny manohy ny fianarany.
?? Misy farany avokoa anefa ny zava-drehetra ka tra-tehaky ny Polisy avy ao amin’ny « Service des enquêtes spécialisées tetsy Ilafy ilay Ramatoa niaraka tamin’ny ankizivavy miisa 08. Tratra tao an-tranony ihany koa ireo fitaovana hifandraisana amin’ ireo vahiny toy ny ordinateur isan-karazany sy modem maro samihafa ary ireo fitaovana hampiasain’ireo vehivavy toy ny sextoys.
??Efa nampidirina am-ponja vonjimaika any Antanimora moa ilay Ramatoa ary ireo tovovavy nampiasainy kosa dia efa tafaverina any an-tokantranony avy.
FIVAROTAN-TENA ANY ANATY TRANOKALAM-PIFANDRAISANA : VOASAMBOTRY NY POLISY ILAY RAMATOA MPAMPIASA IREO TOVOVAVY HIVARO-TENA

Vous pourrez aussi aimer