COMPAGNIE URBAINE D’INTERVENTION : MPITONDRA MOTO TRATRA TSY NANAO AROLOHA, NIANTSO POLISY SANDOKA REHEFA NOSAKANANA

? Mpitondra moto iray tsy nanao aroloha no nosakanan’ny Polisy avy ao amin’ny Troisième Compagnie d’Intervention tetsy Tsarasaotra ka saika tsy nety hijanona ary nilaza fa mahafantatra Polisy ka hiantso izany raha tsy avela handeha izy. Tsy nanaiky izany ireo Polisy nisakana ny moto ka niantso ilay havany tamin’ny finday milaza ho Polisy ilay mpitondra moto.
?Tonga teny an-toerana ary ity lehilahy milaza ho Inspecteur de Police izay nanao akanjo ba maintso ambony toy ny an’ny Polisy ireny. Rehefa niresaka tamin’ireo Polisy ity farany dia nangatahana ny karatra maha Polisy azy sy ny asany ka fantatra tamin’ny fomba firesany sy ny fihetsiny fa tsy Inspecteur de Police ilay lehilahy no sady tsy nanana « badge » sy carte professionnelle fa kara-panondro milaza ny asany ho mpamily ny teny aminy. Nosamborina avy hatrany ity mpisandoka andraikitra ity ary ilay moto kosa dia nogiazana eny amin’ny kaomisaria toy ireny moto tsy manara-dalàna ireny.
COMPAGNIE URBAINE D’INTERVENTION : MPITONDRA MOTO TRATRA TSY NANAO AROLOHA, NIANTSO POLISY SANDOKA REHEFA NOSAKANANA

Vous pourrez aussi aimer