DIRECTION RÉGIONALE DE LA SÉCURITÉ PUBLIQUE ANALANJIROFO : NIJERY NY FIZOTRAN’NY ASA FANAMBOARANA NY FILOHA ANDRY RAJOELINA

⭕️⭕️ Mitohy ny fanamboarana foto-drafitrasa ho an’ny Polisim-pirenena malagasy entina hanakakaizana hatrany ny vahoaka malagasy no sady hametrahana fandriampahalemana maharitra eto amin’ny firenena. Taorian’ny fanokanana ny trano-pibaikoana ny filaminam-bahoaka tao Vakinakaratra dia efa mandeha ihany koa ny fanamboarana ho an’ny faritra Analanjirofo. Tonga nijery ny fizotry ny asa ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ny Contrôleur Général de Police Randrianarison Fanomezantsoa ary mizotra tsara ny asa fanamboarana ka tsy ho ela dia hisitraka izany ny mponina ao Analanjirofo.
DIRECTION RÉGIONALE DE LA SÉCURITÉ PUBLIQUE ANALANJIROFO : NIJERY NY FIZOTRAN’NY ASA FANAMBOARANA NY FILOHA ANDRY RAJOELINA

Vous pourrez aussi aimer