DIRECTION RÉGIONALE DE LA SÉCURITÉ PUBLIQUE ATSINANANA SY ANALANJIROFO : NAHAZO FITAOVANA AVY AMIN’NY FILOHAM-PIRENENA HOENTINA MIARO NY VAHOAKA

⭕️⭕️ Gillet par balle, menotte, tonfa, masque à gaz, casque lourde, moto Gasycar… Ireo no anisan’ny fitaovana nomen’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ho an’ny Polisy ary natolotry ny Minisitry ny filaminam- bahoaka Contrôleur Général de Police Randrianarison Fanomezantsoa ireo Polisy misahana ny filaminam-bahoaka any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo entina hanatsarana hatrany ny asany.
??Nihaona sy nidinika tamin’ireo Polisy miasa any amin’ireo faritra roa ireo ny Minisitry ny filaminam-bahoaka mahakasika ny fomba fiasan’ny Polisy sy ny andrasana amin’izy ireo. Ankoatra ny fanomezana fitaovana ireo Polisy dia nanambara ny Minisitra fa « Mila atao tsapan’ny olom-pirenena fa misy Polisy miaro izy amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny asa azo tsapain-tanana sy mipaka avy hatrany any amin’ny vahoaka ». Zava-dehibe taminy ihany koa ny nihaino ireo olan’ny Polisy any amin’ny faritra hahafahana manatsara ny fomba fiasa sy manatanteraka ny politika ankapobeny ny fitondram-panjakana.
DIRECTION RÉGIONALE DE LA SÉCURITÉ PUBLIQUE ATSINANANA SY ANALANJIROFO : NAHAZO FITAOVANA AVY AMIN’NY FILOHAM-PIRENENA HOENTINA MIARO NY VAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer