FANKALAZANA NY FAHA 59 TAONAN’NY POLISY TANY AMIN’NY FARITRA : NIOMPANA TAMIN’NY FANAMPIANA NY MPIARA-BELONA NY FANKALAZANA

Samy nankalaza ny faha 59 taonan’ny Polisim-pirenena avokoa ireo Polisy miasa any amin’ny faritra ary samy nanana ny fomba nentiny nankalaza izany saingy hita soritra kosa anefa fa niompana tamin’ny fanampiana ny mpiara-belona ny fankalazana :

  • FANOMPOAM-PIVAVAHANA.
    Tobim-pitantanana maro any amin’ny faritra no nanomboka ny fankalazana tamin’ny fitondrana am-bavaka ny Polisim-pirenena. Anisan’ny faritra nanao izany ny tany Menabe, Itasy ,ary Melaky .
  • FANOMEZANA RA
    Manamarika ny Polisy mandritra ny fankalazana tahaka izao ny fanomezana ra ny mpiara-belona aminy ka faritra maro teto amin’ny nosy no nanatanteraka izany toy ny hita tany Analanjirofo, Bongolava, Diana, Boeny, sy ny maro hafa.
  • FANOMEZANA SAKAFO SY FITAFIANA
    Tsy adinon’ireo Polisy avy ao Atsimo Atsinanana ny nitondra fanampiana ara-tsakafo ( vary sy menaka) ho an’ireo olona hita fa tena marefo . Ho an’ny faritra Ihorombe dia ny FIVAPOVA mihitsy no nitondra fanomezana toy ny fitafiana sy firakotra ho an’ireo tsy manan-kialofana
  • HETSIKA MARO SAMIHAFA
    Isan’ny mampiavaka ny fankalazana isan-taona ny fiarahana mihazakazaka. Ho an’ireo Faritra afaka nanatanteraka izany dia nanao izany avokoa toy ny tao Matsiatra ambony, Sofia, Vakinakaratra. Tao ihany koa ny nanao ny fanadiovana faobe ny toeram-piasana isan’izany ny faritra Itasy, Atsimo Andrefana, Betsiboka , Diana, Sava ary Anôsy.

 

FANKALAZANA NY FAHA 59 TAONAN’NY POLISY TANY AMIN’NY FARITRA : NIOMPANA TAMIN’NY FANAMPIANA NY MPIARA-BELONA NY FANKALAZANA

Vous pourrez aussi aimer