FENO 59 TAONA OMALY NY POLISIM-PIRENENA MALAGASY

Omaly 30 septambra 2020 no feno 59 taona ny Polisim-pirenena. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon ‘ny Minisitry ny filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANDRIANARISON Fano no nanomezany ny teny filamatry ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka dia ny  » POLISY MIARO SY MANAMPY NY VAHOAKA » , ka saika niompana tamin’izay avokoa ny hetsika fankalazana :

  • IZAY MANOME RA MANOME AINA

Anisan’ny fanavotana ny mpiray tanindrazana aminao ny fanomezanao ra, nanatanteraka izany ny Polisim-pirenena izay notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena, Contrôleur Général de Police RAKOTOZANANY Dany Marius ka tonga tetsy amin’ny hopitaly HJRA nanome ra maimaim-poana ho an’ireo marary izay mila izany.

  • FIZARANA NY LAHARANA HAHAZOANA NY POLISY SY FANENTANANA AMIN’NY ADY AMIN’NY VALAN’ARETINA COVID-19

Ny Polisy mihitsy no nidina an-dalambe ho an’ny vahoaka nizara ireo laharana hahazoana azy ireo .

  • FIVAPOVA

Tsy ireo Polisy irery ihany anefa no nanao izany, ao ihany koa ireo Polisy vavy sy vadina Polisy izay notarihin’ny vadin’ Andriamatoa Minisitra, RANDRIANARISON Holy ka ankoatra ny fizarana ireo laharana hahazoana ny Polisy dia nanao ny fanentanana ny olona ihany koa izy ireo mba hiaro tena manoloana ilay aretina covid-19

  • FANADIOVANA NY TOERAM-PIASANA

Tsy misy ankoatra ny madio amin’izao fotoana hiparitahan’ny valan’aretina izao. Nandray ny kifafa sy angady avokoa ny Polisy ary nanadio ny toeram-piasany mba hiarovany ireo olona manan- draharaha eny amin’ny biraony sy hiarovany ny tenany ihany koa.

FENO 59 TAONA OMALY NY POLISIM-PIRENENA MALAGASY

Vous pourrez aussi aimer