DIRECTION REGIONALE DE LA SECURITE PUBLIQUE ANOSY: NOTOKANANA NY ZOMA 02 OKTOBRA 2020

Notanterahina ny marainan’ny zoma 02 oktobra 2020 teo ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny biraon’ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka any amin’ny faritra ANOSY. Tonga tany an-toerana nitarika ny lanonana ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA. Tamin’ny lahateny no nanambarany fa zava-dehibe loatra ny fametrahana foto-drafitrasa toy izao aty ifotony mba ho entina hanatsarana ny fandraisana ny vahoaka manandraharaha atao ao, hanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ny fahavitan’izao foto-drafitrasa izao dia porofo fa miasa ny Fitondram-panjakana, miasa haingana, miasa tsara ary rehefa manao dia manao zavatra manara-penitra. Manomboka izao rehefa manangana Birao fiasana dia tsy maintsy atao ihany koa ny trano fonenan’ilay tompon’andraikitra mba tsy handeha ila ny raharaha ka ny birao fiasana tena raitra nefa ilay tompon’andraikitra mipetraka amin’ny trano ratsy. Tsy maintsy hatao izay hahatonga ireo mpiasam-panjakana hazoto handeha hiasa any amin’ny faritra. Ankoatra ity birao fiasana ity dia mifanila toerana aminy eo ny trano fonenan’ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka. Notoloran’ny Filoha fiara tsy mahataho-dalana iray sy moto roa ny Polisy any amin’ny faritra ANOSY.

 

Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny Contrôleur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa kosa dia nanambara fa fanatanterahana ny velirano nataon’Adriamatoa Filoham-pirenena ny fahavitan’izao fotodrafitrasa izao amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra. Tao anatin’izay 59 taona nijoroan’ny Polisim-pirenena izay dia izay vao mba nahazo fotodrafitrasa lehibe sy tsara toy izao ny faritra ANOSY. Araka ny baiko nomen’ny Filoham-pirenena dia tsy maintsy hananganana fotodrafitrasa toy izao ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka manerana ny nosy ka roa no efa notokanana dia ny any amin’ny faritra VAKINANKARATRA sy ny faritra ANOSY. Misy enina miandry fitokanana ary roa andalam-panamboarana. Nambaran’Adriamatoa Minisitra fa manampy ny Polisim-pirenena amin’ny fanatanterahana ny asany ny fahavitan’izao birao fiasana izao amin’ny fiarovana sy fanampiana ny vahoaka. Fady tsy azo ato ao amin’ity birao fiasana vaovao ity ny kolikoly fa tsy maintsy hampanjakaina ao kosa ny fiarovana ny zon’ny olombelona.

Tany mirefy 1700 m2 misy ny birao fiasana sy ny trano fonenan’ny talem-paritra. 980 m2 no misy ny birao fiasana izay misy efitra 31, 272 m2 kosa no misy ny trano fonenana izay misy efitra valo. Mitenti-bidy 1 milliard 320 million ariary ka tao anatin’ny 120 andro no nanaovana azy.

 

sary: Présidence de la République de Madagascar

DIRECTION REGIONALE DE LA SECURITE PUBLIQUE ANOSY: NOTOKANANA NY ZOMA 02 OKTOBRA 2020

Vous pourrez aussi aimer