BC- FISOLOKIANA : TRA-TEHAKY NY POLISY MISAHANA NY ADY HELOKA BEVAVA IRETO MPISOLOKY AVO LENTA

Mpiasam-panjakana efa nitana andraikitra maro ilay lehilahy ary milaza azy ho mahitahita kosa ilay vehivavy ka maro ireo olona voajonon’izy roa tamin’ny resaka fisolokiana. Ny fanaon’izy ireo dia ny misoloky ireo olon-tsotra fa indrindra ireo orinasa izay te hahazo ireny tetikasam-panjakana ireny ka angalany volabe satria izy ireo hono ny lalana hahazoana ilay tetikasa. Ho entina ampiesonana ireo olona dia miasa avokoa ny fisandohana andraikitra sy ny famoronana tetikasa tsy mitombina ary ny fanomezan-toky entina handaminana ny resaka sy hakana ilay vola.

Tao amin’ny trano fandraisam-bahiny lehibe iray eto an-drenivohitra izy ireo no tra-tehaky ny Polisy ary mbola teo am-pisolokiana olona hafa indray no izao voasambotra izao ka noentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny Polisy. Tsy mitsaha-mitombo ireo fitoriana azon’ny Polisy misahana ny heloka bevava izay mampitombo ihany koa ny vesatra hiampangana azy ireo.

BC- FISOLOKIANA : TRA-TEHAKY NY POLISY MISAHANA NY ADY HELOKA BEVAVA IRETO MPISOLOKY AVO LENTA

Vous pourrez aussi aimer