CSP ALASORA : TRA-TEHAKY NY POLISY IREO JIOLAHY NAMONO OLONA HAMONJY FODIANA TETSY ALASORA

 

Lehilahy 01 tratra alina nitondra moto hody eny Alasora no nifanena tamina andian-jiolahy nitondra Antsy sy kibay ka tsy namelan’ireto farany raha tsy maty ilay tovolahy. Noentin’izy ireo nitsoaka ilay moto saingy nifanena tamin’ny Polisy nanao fisafoana ilay jiolahy 01 nitondra izany ka voasakana. Tsikaritr’ireo Polisy fa nisy ra ilay moto ka avy hatrany dia notazonina izy lehihahy ary natao ny fikarohana ny manodidina. Hita tsy lavitra teo, tao anaty lobolobo ny fatin’ilay lehilahy tompona moto. Niaiky ny heloka nataony ilay lehilahy tratra raha vao hita ny fatin’ilay olona novonoin’izy ireo. Tsy nijanona hatreo ny famotorana fa nitohy hatrany ka tra-tehaky ny Polisy ihany koa ny lehilahy miisa 02 niaraka nanao ilay asa ratsy tamin’izy ireo.

Fantatra tamin’izany fa efa mpanao fanafihana amin’iny faritra iny izy telo lahy ireto ary efa maro no nitondra faisana tamin’ny nataony izy ireo. Rehefa natolotra ny fitsarana ireto olon-dratsy dia naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

CSP ALASORA : TRA-TEHAKY NY POLISY IREO JIOLAHY NAMONO OLONA HAMONJY FODIANA TETSY ALASORA

Vous pourrez aussi aimer