MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA : HANATSARA NY FOMBA FIASAN’NY POLISY AMIN’NY ALALAN’NY FANAKAIKEZANA HATRANY NY VAHOAKA

Nandritra ny fitokanana ireo biraon’ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka tany amin’ny faritra VAKINANKARATRA, ANOSY, VATOVAVY FITOVINANY ary ANTSOHIHY dia noararaotin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka CGP RANDRIANARISON Fanomezantsoa ny nihaona sy nitafa tamin’ireo Polisy miasa amin’ireny faritra ireny. Tamin’izany no nanomezany baiko hentitra ny amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa amin’ny alalan’ny fanakaikezana ny vahoaka ka atao izay hahatsapan’izy ireo fa miasa ho azy ny Polisy, miaro sy manampy ny vahoaka. Tsy handeferana ny Polisy manao kolikoly ary tsy ekena ny fanaovana kiantranoantrano na ilay antsoina hoe « corporatisme ». Nanome toromarika izy ny amin’ny fikojakojana ireo fitaovam-piadiana sy ireo fitaovana hoenti-miasa sy ny fiarakodia ary ny moto. Nitondrany fanazavana ihany koa ny amin’ny fisondrotana laharam-boninahitra na ny « avancement ». Tsy misy intsony hoy izy ny ho fahataran’izany raha tsy noho ny antony ara-tsazy. Nampirisika ireo Polisy ihany koa izy mba hanatanteraka ny asany am-pahamendrehana sy am-pahamarinana

MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA : HANATSARA NY FOMBA FIASAN’NY POLISY AMIN’NY ALALAN’NY FANAKAIKEZANA HATRANY NY VAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer