FAMPIAKARANA GALONA EO ANIVON’NY POLISIM-PIRENENA : MITAKY TOE-TSAINA SY FITONDRAN-TENA MENDRIKA AMIN’NY FANATANTERAHANA NY ASA

???Notanterahina ny 19 Oktobra 2020 ny fanomezana galona vaovao ho an’ireo Polisy miisa 36 ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Miisa 20 ireo Polisy nahazo izany ho an’ny sokajy Officier de Police, 04 ho an’ny sokajy Inspecteur de Police ary 16 ho an’ny sokajy Brigadier de Police.
Niarahaba azy ireo ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ary nambaray fa : « mila manana toe-tsaina vaovao sy fitondran-tena mendrika ny fiakarana galona tahaka izao, ka tokony aseho amin’ny fomba fanatanterahana ny asa izany » .

???Ankoatra izay dia tsy nohadinoin’Andriamatoa Minisitra ny nankasitraka ireo Polisy misahana ny filaminam-bahoaka tamin’ny ezaka lehibe nataon’izy ireo teo amin’ny lafiny fikojakojana ireo fitaovana ( fiara, akanjo, …) hoentina miasa ka hanamafisana indray ny fiarovana sy ny fanampiana ny vahoaka

FAMPIAKARANA GALONA EO ANIVON’NY POLISIM-PIRENENA : MITAKY TOE-TSAINA SY FITONDRAN-TENA MENDRIKA AMIN’NY FANATANTERAHANA NY ASA

Vous pourrez aussi aimer