DRSP ITASY – FANOLANANA MIAMPY FIRAISANA ARA-NOFO AMIN’NY FIANAKAVIANA AKAIKY ( INCESTE) : RAIM-PIANAKAVIANA 57 TAONA VOASAMBOTRA.

Nitsabo tena tany Antsirabe ny Reniny ary ilay tovovavy 16 taona sy ny Rainy sisa no tao an-trano tany amin’ny faritra Ampatsaharana ( kaominina Soavinandriana). Nitsiry tamin’izany ny filan-dratsin’ilay Rainy ka ny zanany vavy indray no naholany tao an-trano. Nisy olona nahafantatra ity tranga ity ka nampian’ny vondrona miaro ny zon’ny vehivavy sy ankizy ity olona ity mba hiaraka ho any amin’ny Polisy hiarovana ilay zaza.

Nandray ny andraikiny ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria ny Soavinandriana Itasy ary nosamborina avy hatrany ilay raim-pianakaviana 57 taona. Fantatra tamin’izany fa nisy ny firaisana ara-nofo nataon’ny rainy tamin’ilay tovovavy na dia niezaka ny nanafina izany ary ilay zanany nohon’ny tahotra nahazo azy . Tao anatin’ny fanadihadiana ihany koa no nahalalana fa nitondra vohoka ity tovovavy ity noho io toetra ratsy nataon’ny rainy taminy io ary efa nanala zaza izy.

Entanina hatrany isika mba hanatona ny mpitandro ny filaminana akaiky antsika raha sendran’ny herisetra atao amin’ny marefo tahaka izao.

Ho an’ny eto Antananarivo renivohitra dia afaka antsoina ireto sampan-draharaha ireto :

POLICE DES MOEURS ET DE LA PROTECTION DES MINEURS : 034 05 703 73

BRIGADE FEMININE DE PROXIMITE : 813 ( LIGNE VERTE)

 

DRSP ITASY – FANOLANANA MIAMPY FIRAISANA ARA-NOFO AMIN’NY FIANAKAVIANA AKAIKY ( INCESTE) : RAIM-PIANAKAVIANA 57 TAONA VOASAMBOTRA.

Vous pourrez aussi aimer