SCESLFD – FANONDRANANA OLONA AN-TSOKOSOKO ANY MAYOTTE: ROA HATRAMIN’NY TELO TAPITRISA NO ALOHAN’IREO MPIONDRANA, TRATRAN’NY POLISY MAHORAIS ARY NAVERINA TETO AN-TANINDRAZANA

Roa andro teny ambony sambo kely niala tao Nosy-be ireo Malagasy miisa 20 (ahitana zaza tsy ampy taona miisa 07) izay vao tonga tany Mayotte. Niondrana an-tsokosoko izy ireo ary tratran’ny Polisy tany an-toerana ka naverina teto Madagasikara.

Nanao ny fanadihadiana mahakasika ity fiondranana ity ny Polisy ka olona miisa 03 no voasambotra. Tao anatin’ ny famotorana no nahalalana fa misera amin’ireo tompona sambo any avaratra( Ambanja, Nosy be) ireto olona voasambotra ireto hitondra olona any Mayotte. Manakarama 1.000.000 ar ka hatramin’ny 2.000.000 ar ireo mpanamory ny sambokely hihazo an’i Mayottes izy ireo raha 2.000.000 ar hatramin’ny 3.000.000 ar kosa no alaina ireo amin’izay olona te handeha. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa efa manana tambazotra mihitsy izy ireto hatrany amin’ny fitaterana sy ny fandraisana ireo olona tonga any Mayotte, araka izany dia mitohy fanadihadiana ataon’ny Polisim-pirenena

SCESLFD – FANONDRANANA OLONA AN-TSOKOSOKO ANY MAYOTTE: ROA HATRAMIN’NY TELO TAPITRISA NO ALOHAN’IREO MPIONDRANA, TRATRAN’NY POLISY MAHORAIS ARY NAVERINA TETO AN-TANINDRAZANA

Vous pourrez aussi aimer