BRIGADE FEMININE DE PROXIMITE TOLIARA : VOASAMBOTRY NY POLISY ILAY LEHILAHY MPANIMBA ZAZA SY MPIVAROTRA AZY IREO AMIN’NY VAHINY ANY AN-TOERANA

Mitohy ny ezaka ataon’ireo sampan-draharahan’ny Polisy misahana ireo olona marefo amin’ny fiarovana ny Zaza amam-behivavy. Nahazo vaovao mahakasika ny fampiasana ankizy hivaro-tena miaraka amin’ny vazaha ny Brigade féminine de proximité ao Toliara ka nidina ifotony avy hatrany. Fantatra tamin’izany fa efa tsy teo an-toerana intsony ireo ankizy ireo fa nisy nitondra any Mangily. Tsy niandry ela ny Polisy fa tonga dia nidina tany Mangily ary hita tany ny zazavavy kely miisa telo 10 hatramin’ny 12 taona. Tra- tehaka ihany koa Ilay lehilahy nitondra azy ireo tany izay fantatra fa sady manimba ireto ankizy ireto no vao hivarotra azy amin’ireo vazaha any an-toerana.

FANENTANANA

Andao hiara-hientana hiady amin’ny asa ratsy toy ny fanolanana. Aza misalasala manatona na miantso ireo sampan-draharaha misahana ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona eo anivon’ny Polisim-pirenena.

Ho antsika any amin’ny Faritra, azontsika atao ny manatona ny Biraon’ny Polisim-pirenena akaiky antsika. Ny mombamomba ny mpanome vaovao dia mijanona ho tsiambaratelo eo amin’ny Polisy sy ilay mpanome vaovao ka aza matahotra. Ny Polisy dia hanao fanentanana eny anivon’ny sekoly, Fikambanana, Fokontany. Araka izany, ny Polisim-pirenena dia manokatra varavarana ho an’ireo izay maniry hiara-miasa aminy.

Antsoy ny :

-Brigade Feminin de Proximité (BFP) TSARALALANA : 034 05 350 13 na ny laharana maitso 147 sy 813

-Police des Mœurs et de la Protection des Mineurs : 034 05 703 73

BRIGADE FEMININE DE PROXIMITE TOLIARA : VOASAMBOTRY NY POLISY ILAY LEHILAHY MPANIMBA ZAZA SY MPIVAROTRA AZY IREO AMIN’NY VAHINY ANY AN-TOERANA

Vous pourrez aussi aimer