CSP 6 AMBOHIMANARINA – FANGALARANA MOTO G5 SY RSZ : NANGALANA PIESY, NOEZAHANA NOLOKOINA ARY EFA NAMIDY, VOASAMBOTRA AVOKOA IREO LEHILAHY MPIRAY TETI-DRATSY NANAO IZANY

Tany Ambodimita no nangalarina ireto moto miisa 02 ireto ary tany Analamhitsy no tratran’ny Polisy ny 01 tamin’ireo nangalatra moto. Efa namidin’ilay mpangalatra anefa ilay moto saingy natorony ilay olona nividy azy. Ilay mpividy ihany koa efa nahalala fa halatra ilay moto ary nanafina ireo antontan- taratasy tany anaty tranon’aliaka saingy hitan’ny Polisy ihany koa izany.

Ilay moto iray hafa nangalarina kosa dia nangalana piesy sy noezahana nolokoina no tra-tehaky ny Polisy tetsy Andohatampenaka ka olona miisa 03 no indray tra-tehaky ny Polisy nanao izany.

Araka izany dia Olona miisa 05 no voasambotra tao anatin’ity raharaha ity ary ireo moto miisa roa niaraka very kosa dia efa tafaverina amin’ny tompony.

 

CSP 6 AMBOHIMANARINA – FANGALARANA MOTO G5 SY RSZ : NANGALANA PIESY, NOEZAHANA NOLOKOINA ARY EFA NAMIDY, VOASAMBOTRA AVOKOA IREO LEHILAHY MPIRAY TETI-DRATSY NANAO IZANY

Vous pourrez aussi aimer