POLISY MISAHANA NY ZAZA TSY AMPY TAONA : EFA ANY AM-PONJA ILAY LEHILAHY NANOLANA ZAZAKELY RAY TAONA SY TAPANY

Voasambotry ny Polisy ilay lehilahy nanolana zazalahy kely herintaona sy tapany ary efa nalefa eny Antanimora. Voalazan’ny fehezan-dalana famaizana Malagasy (Code pénale Malagasy) ao amin’ny andininy faha -332 fa : « Saziana an-terivozona mandritra ny fotoana voafetra ny fanolanana raha toa ka natao tamin’ny ankizy latsaka ny 15 taona na amina vehivavy hita fa mitondra vohoka.

ATSAHARO NY FANOLANANA SY NY FIFOTERANA

Zava-doza tsy mendrika ny maha-olombelona ny FANOLANANA sy ny FIFOTERANA ka ndao hiara-hiady ho amin’ny fampitsaharana izany. Izay mahita trangana FANOLANANA na FIFOTERANA , na iza na iza manao izany dia aza asiana henamaso, aza ijerena tavan’olona, na sokajin’olona fa :

Sahia miteny

Sahia mampahafantatra

Sahia mitoroka

Sahia mitory

Raiso ny andraikitra fa aza lany andro mifanome tsiny sy mifanilika andraikitra fotsiny, ady iombonana ity fa tsy vita tsetsetra sy fangorahana.

Antsoy ny laharana :

034 05 703 73 na ny laharana maintso 417 ho an’ny sampan-draharahan’ny Polisy misahana ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana,

034 05 703 36 ho an’ny PMPM ANOSY

laharana maintso 813 ho an’ny BFP TSARALALANA

POLISY MISAHANA NY ZAZA TSY AMPY TAONA : EFA ANY AM-PONJA ILAY LEHILAHY NANOLANA ZAZAKELY RAY TAONA SY TAPANY

Vous pourrez aussi aimer