POLISY MISAHANA NY ZAVA-MAHADOMELINA : VOASAMBOTRA IREO ROALAHY MPIVAROTRA RONGONY AMIN’NY MPIANATRA

Nosamborin’ny Polisy izy roalahy hita amin’ny sary ireto noho ny fivarotana rongony sy zava-pisotro mahamamo akaikin’ny sekoly « SEKINA » etsy Androndrakely. Tamin’ny fahatongavan’ny Polisy teny an-toerana dia mbola nahatratrarana rongony 03 fonosona sy toaka gasy 05 litatra tao amin’izy ireo. Fantatra tamin’izany fa ny mpianatra eny amin’iny manodidina an’io faritra voalaza etsy ambony io no tena tadiavin’izy ireo hanjifa ireo entana. Efa naiditra am-ponja eny Antanimora moa izy roalahy ireto taorian’ny fanolorana ireto farany teny amin’ny fampanoavana.

POLISY MISAHANA NY ZAVA-MAHADOMELINA : VOASAMBOTRA IREO ROALAHY MPIVAROTRA RONGONY AMIN’NY MPIANATRA

Vous pourrez aussi aimer