BC1- FISOLOKIANA AMIN’NY ALALAN’NY FANDEFASANA SMS : TRATRA ILAY LEHILAHY MPANDEFA HAFATRA MILAZA FA « NAHAZO LOKA FIARA ….. »

Efa maro ireo olona nahazo hafatra mifono fisolokiana izay milaza fa ‘’ianao dia nahazo fiara sprinter avy amin’ny orinasa Aquamas Mahajanga ka iangaviana q hiantso ity laharana ity 03…’’, na ny mitovitovy amin’izany. Ho an’ny olona tsy mahalala dia miantso ilay laharana ary rehefa miresaka eo ilay mpisoloky dia milaza fa mila mandefa vola ilay olona atao solik’ilay fiara hitondrana izany miakatra aty Antananarivo. Betsaka no efa niharan’ity asa ratsy fisolokiana ity ka nametraka fitoriana teny anivon’ny Polisim-pirenena .
Nandray ny andraikiny avy hatrany ny avy ao anivon’ny Brigade Criminel Anosy, nanao ny fanadihadihana ka rehefa natao ny angom-baovao sy ny velapandrika dia tratra teny amin’ny tranony teny Anosibe Angarangarana ity mpisoloky . Marihana fa mifindrafindra toeram-ponenana ity lehilahy ity ka tranon’ny sakaizany ity nahatratrarana azy ity.
???Ny Polisim-pirenena dia manao antso ho an’ny besinimaro mba ho mailo fa betsaka ireo asa manao fisolokiana amin’izao fotoana izao.

BC1- FISOLOKIANA AMIN’NY ALALAN’NY FANDEFASANA SMS : TRATRA ILAY LEHILAHY MPANDEFA HAFATRA MILAZA FA « NAHAZO LOKA FIARA ….. »

Vous pourrez aussi aimer