CSP 5 MAHAMASINA : MPANGAROM-PAOSY TAO ANATY TAXI-BE TRATRA TETSY TSIMBAZAZA.

Tratran’ilay ramatoa nikaroka ny poketrany tao anaty bus ity tovolahy ity ka niantso vonjeo mafy ilay ramatoa, taitra avokoa ny mpandeha tao anatiny. Nitady lalana hitsoahana ity mpangarom-paosy ary tafavoaka ny taxi-be saingy tsy afaka ho aiza noho ny hamaroan’ny olona nanenjika azy. Tratran’ireo fokonolona ilay tovolahy ary niharan’ny daroka nohon’ny hatezeram-bahoaka taminy. Tonga teny an-toerana ihany koa ny Polisy nisambotra ilay mpangarom-paosy ary noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy nanokafana fanadihadiana.

CSP 5 MAHAMASINA : MPANGAROM-PAOSY TAO ANATY TAXI-BE TRATRA TETSY TSIMBAZAZA.

Vous pourrez aussi aimer