CSP AMBATONDRAZAKA – HERISETRA : NOTONDRAHAN’ILAY RAMATOA RANO MANGOTRAKA NY VADINY

Ny Lehilahy indray eto no hiaran’ny herisetra tao amin’ny fokontany Avaradrova- Avaratra (Ambatondrazaka). Notondrahan’ny vadiny rano mangotraka iray vilany ity Lehilahy ity rehefa nisy ny fifamaliana teo amin’izy mivady ka tsy nahatsindry fo ilay vehivavy. May tanteraka ny faritra misy ny sandriny sy ny tratran’ilay Lehilahy. Nandeha nandositra avy hatrany moa ilay ramatoa vao nitranga ity seho ity. Polisy sendra nandalo teny an-toerana no nahita ireo mpiray vodirindrina nitangorona teo amin’ilay lehilahy niharam-boina ka nanenjika ilay ramatoa nitsoaka. Tratra ihany ilay ramatoa ary avy dia noentina teny amin’ny kaomisaria nanaovana fanadihadiana. Ilay rangahy kosa dia efa noentina teny amin’ny hopitaly nahazo ny fitsaboana sahaza azy.

 

CSP AMBATONDRAZAKA – HERISETRA : NOTONDRAHAN’ILAY RAMATOA RANO MANGOTRAKA NY VADINY

Vous pourrez aussi aimer