FIVAPOVA – FIAROVANA IREO ZAZA AMIN’NY HERISETRA : AFA-PO SY NANDRAY LESONA IREO TONGA NAMONJY NY FAMELABELARAN-KEVITRA

Nahazo torohevitra mahakasika ny fiarovana ireo Zaza amin’ny herisetra mety hianjady aminy eny anivon’ny fiaraha-monina ireo olona tonga nihaino sy nandray anjara tamin’ilay famelabelaran-kevitra nokarakarain’ny FIVAPOVA tetsy amin’ny Plaza Ampefiloha. Nambaran’ny Ramatoa vadin’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka RANDRIANARISON Holy, izay Filoha mpitantana ny fikambanana fa  » ny herisetra mianjady amin’ny Zaza dia misy foana hatrizay fa izao ny olona vao sahy mitoroka, tsy ampy hoy izy ny fanaraha-maso ataon’ny Ray aman-dreny amin’ny zanaka noho ny fitadiavana sy ny maro hafa kanefa tsy tokony hatao sakana izany fa mila arahi-maso akaiky ireo zaza indrindra amin’izao fandrosoan’ny teknolojia izao.

FIVAPOVA – FIAROVANA IREO ZAZA AMIN’NY HERISETRA : AFA-PO SY NANDRAY LESONA IREO TONGA NAMONJY NY FAMELABELARAN-KEVITRA

Vous pourrez aussi aimer