BC1- SAG : TRATRAN’NY POLISY ILAY JIOLAHY NANOLANA SY NAMONO HO FATY ILAY VEHIVAVY BEVOHOKA TETSY AMPEFILOHA

Ity jiolahy miaraka amin’ny Antsy lava ity, fantatra amin’ny solon’ anarana hoe « Ra-Most » dia nahavita nanolana sy namono vehivavy bevohoka iray nandeha nividy zavatra teo ivelan’ny hopitaly HJRA , ny alin’ny 02 Desambra lasa teo . Nambanan’ity jiolahy ity tamin’ny Antsy ilay vehivavy ary noentiny tany anaty trano sachet tsy lavitra teo.

Tao no naolany ilay vehivavy ary rehefa saika hamaly azy dia novonoiny ho faty tamin’ny fomba feno habibiana niaraka tamin’ilay Antsy lava teny aminy .

Ny ankanjony nihosin-dra no nanaitra ilay olona nahita azy ka niantso Polisy avy hatrany . Tsy lavitra teo ihany koa ny Polisy mpanao fisafoana avy ao amin’ny Service Anti-Gang ka vetivety dia tonga teny an-toerana ary nisambotra avy hatrany ity Lehilahy ity.

Nitohy ny fanaraha-maso nataon’ny Polisy nandritran’iny Alina iny ka tra-tehaka ihany koa ireo tovolahy miisa 03 ( hita amin’ny sary etsy ambony) niray tsikombakomba tamin’ilay Lehilahy ary fantatra fa izy telo ireo no natao hitsikilo ny Polisy sao sendra manatona ilay trano sachet ka izy ireo no mampandre ilay jiolahy hiala ao amin’ilay trano.

Tao anatin’ny fanadihadiana naton’ny Polisy no fantatra fa efa mpamerin-keloka ity jiolahy mpamono olona ity ary izao tratran’ny Polisy izao indray.

Natolotra ny fitsarana izy 04 lahy ka ny 03 dia lasa any Tsiafahy ary ny 01 kosa dia nalefa any Antanimora noho izy tsy ampy taona.

BC1- SAG : TRATRAN’NY POLISY ILAY JIOLAHY NANOLANA SY NAMONO HO FATY ILAY VEHIVAVY BEVOHOKA TETSY AMPEFILOHA

Vous pourrez aussi aimer