CSP5 – KIANJA BAREA : TRATRAN’NY POLISY IREO TOVOLAHY NANARARAOTRA NANGALATRA FITAOVANA HANAMBOARANA NY KIANJA

Niandry ny misasak’alina izy 05 lahy ireto vao sahy namoaka ireo vy maromaro izay fitaovana entina hanamboarana ny kianja barea etsy Mahamasina. Ny Polisy manao fisafoana manodidina ny kianja no nahatsikaritra azy ireo mibata vy mivoaka ny kianja. Tsy nisalasala ny Polisy nanakana ireto tovolahy ireto ary noentina natao fanadihadiana avy hatrany. Tsy nisy afaka nandainga izy ireo satria tratra ambodiomby nangalatra ireo vy ary rehefa natolotra ny fitsarana dia nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora.

CSP5 – KIANJA BAREA : TRATRAN’NY POLISY IREO TOVOLAHY NANARARAOTRA NANGALATRA FITAOVANA HANAMBOARANA NY KIANJA

Vous pourrez aussi aimer