ZAZA KAMBOTY AO AMBATOLAMPY : TSY NANADINO AZY IREO NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA AMIN’IZAO ANKATOKY NY FETY IZAO

Amin’izao ankatoky ny fetin’ny noely izao dia tsy nanadino ireo kamboty tezaina etsy amin’ny akany Ambatolampy ny Minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny vadiny, ireo hehibe eto anivon’ny Polisim-pirenena ary ireo mpiara-miasa isan-karazany eo anivon’ny Polisim-pirenena.

Nanome fankaherezana ho an’ireo Zaza kamboty ny Minisitra mba hilofo amin’ny fianarana ka hanana ho avy tsara sy mamiratra. Amin’ny maha Ray aman-dreny azy dia tsy adinony ny nanolotra fanomezana ho an’ireo ankizy niaraka tamin’ny dadabe noely. Ho an’ireo ankizy afa-panadinana kosa dia mbola nahazo fanomezana manokana ihany koa izy ireo ho fankasitrahana ny dingana vita sy ho famporisihana hatrany amin’ny ezaka izay mbola tokony ho atao.

Anisany nanamarika ny fotoana ihany koa ny fahatongavan’ny Minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana niaraka amin’ny vadiny izay ankasitrahana azy ireo satria tsy vitan’ny tonga teny an-toerana izy mivady fa mbola nanome bisikileta ho an’ireo afa-panadinana BEPC

sy BACCALAURÉAT.

Nofaranana tamin’ny fiarahana misakafo niaraka tamin’ireo ankizy moa ny lanonana ary tsikaritra ny hafaliana nisy teo amin’ny ankizy tsirairay.

ZAZA KAMBOTY AO AMBATOLAMPY : TSY NANADINO AZY IREO NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA AMIN’IZAO ANKATOKY NY FETY IZAO

Vous pourrez aussi aimer