DRSP ATSINANANA – FIFANDONANA NISY TEO AMIN’NY JIOLAHY MITAM-PIADIANA SY NY POLISY TAO TOAMASINA : ANKILANY POLISY MIISA 03 NARATRA VOAN’ NY BALAN’IREO OLON-DRATSY, ANDANINY JIOLAHY MIISA 03 LAVO NO BALAN’NY POLISY

Mafy ny fifandonana teo amin’ny Polisy sy ireo jiolahy mitam-piadiana saika hanao fanafihana cash-point tao Andranomadio. Tsy nisy tahotra ireto andian-jiolahy fa vao nahita ireto Polisy hisambotra azy dia tifitra variraraka no nasetrin’izy ireo izany. Vokany 03 ny Polisy voan’ny balan’ireto jiolahy : ny 01 voa teo amin’ny feny, ny Polisy 02 hafa kosa voa teo amin’ny takibany saingy tsy maty noho ny fanaovany gilet par balle.

Manoloana ny hetraketraka nataon’ireto olon-dratsy moa dia tsy maintsy niaro tena ihany koa ny Polisy ka dia nifampitifitra ny roa tonta ary lavon’ny balan’ny Polisy tamin’izany ny jiolahy 01 niaraka tamin’ny poleta vita gasy teny aminy. Ireo olon-dratsy namany kosa dia tafaporitsaka.

Nitohy hatrany anefa ny fanenjehana ireto jiolahy tafaporitsaka ireto ka ora vitsy taty aoriana dia fantatra fa niafina tao amina hotely iray tsy lavitra teo ireo jiolahy miisa 02. Tonga ny Polisy hisambotra azy roalahy saingy nanohitra hatramin’ny farany tamin’ny alalan’ny basy teny aminy ireto olon-dratsy ary tsy hanaiky ny hosamborina moramora. Nisy indray ny fifampitifirana teo ka maty avokoa ireto jiolahy miisa 02.

Ireo Polisy naratra kosa dia efa nalefa any amin’ny hopitaly ary tsy misy atahorana ny ainy vokatr’ilay fanaovana Gillet par balle niaro azy ireo izay marihina fa fitaovana vaovao vao azon’izy ireo tamin’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka.

DRSP ATSINANANA – FIFANDONANA NISY TEO AMIN’NY JIOLAHY MITAM-PIADIANA SY NY POLISY TAO TOAMASINA : ANKILANY POLISY MIISA 03 NARATRA VOAN’ NY BALAN’IREO OLON-DRATSY, ANDANINY JIOLAHY MIISA 03 LAVO NO BALAN’NY POLISY

Vous pourrez aussi aimer