FARITRA TOAMASINA : TONGA NITONDRA FANKAHEREZANA SY FANAMPIANA HO AN’IREO POLISY NARATRA NY TALE JENERALIN’ NY POLISIM-PIRENENA

Nitsidika ireo Polisy naratra nandritra ny fifandonana tamin’ireo Jiolahy niseho tao Toamasina ny Alatsinainy lasa teo ny Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena .

Ankoatra ny fankaherezana ireto Polisy niharam-boina ireto dia nitondra fanampiana hitsaboana azy ireo ihany koa ny Tale jeneraly ary nambarany fa :  » izao no porofo fa tsy mora ny asa miandry ny Polisim-pirenena saingy tsy hihemotra ny Polisy fa vonona hanatanteraka ny baikon’ Andriamatoa Minisitra amin’ny fametrahana fampandriana fahalemana maharitra manerana ny faritra rehetra ».

Ny Polisim-pirenena dia mirary fahasitranana feno ho azy telo mirahalahy

FARITRA TOAMASINA : TONGA NITONDRA FANKAHEREZANA SY FANAMPIANA HO AN’IREO POLISY NARATRA NY TALE JENERALIN’ NY POLISIM-PIRENENA

Vous pourrez aussi aimer