POLISY MISAHANA NY ZAZA TSY AMPY TAONA- FAMPIJALIANA ZAZA TETSY SOAVIMASOANDRO : NITOLO-TENA TENY AMIN’NY POLISY ILAY RAIM-PIANAKAVIANA REHEFA NIAFINA NANOMBOKA NY ALATSINAINY LASA TEO

Ho tohin’ilay horonantsary niparitaka teto amin’ny tambazotran-tserasera fb izay nahitana ilay raim-pianakaviana nampijaly ny zanany dia nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany ny Polisy misahana ny Zaza tsy ampy taona ao Tsaralalàna mahakasika iny tranga iny.

Ny Alatsinainy nisehoan ‘iny tranga iny dia noraisin’ny Posily an – tanana ilay Zaza sy ny reniny. Efa nisy ihany koa ny fitsirihana natao an’ilay Zaza teny amin’ny hopitaly.

Anio Alarobia 16 Desambra dia nitolo-batana teny anivon’ny Polisy misahana ny Zaza tsy ampy taona tetsy Tsaralalàna ilay raim-pianakaviana. Araka izany dia mitohy hatrany ny fanadihadiana ary Atolotra ny fitsarana tsy ho ela.

Fanamarihana mahakasika ireo Publication misy dikanteny Frantsay : ho an’ireo comptes fb misy dikanteny eo ambanin’ny publication, dia tsara ny manamarika fa ny FB no manao izany ( automatique ) amin’ny dikanteny Frantsay fa tsy ilay tompon’ny publication akory .

POLISY MISAHANA NY ZAZA TSY AMPY TAONA- FAMPIJALIANA ZAZA TETSY SOAVIMASOANDRO : NITOLO-TENA TENY AMIN’NY POLISY ILAY RAIM-PIANAKAVIANA REHEFA NIAFINA NANOMBOKA NY ALATSINAINY LASA TEO

Vous pourrez aussi aimer