POLISIM-PIRENENA – FAMARANANA NY TAONA : NOFARANANA TAMIN’NY FOTOAM-PIVAVAHANA NO SADY FAMETRAHANA NY TAONA 2021 EO AMBANIN’NY FAHASOAVAN’ILAY NAHARY.

Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana tetsy Andohalo ho fisaorana an’ Andriamanitra ary fametrahana ny taona ho avy eo ambany fahasoavany no notanterahin’ny Polisim-pirenena namaranana ny taona.

‘’Izaho no foto-boaloboka, ary hianareo no sampany. Izay mitoetra ao Amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona hianareo.’’ Io no tenin’Andriamanitra azon’ny Polisim-pirenena amin’ny fanatontosana ny asany izay midika fa raha tsy miray amin’ny Kristy isika amin’ny fanatanterahana ny asa dia tsy ho tontosa antsakany sy andavany izany.

I

Nanatrika izany fotoam-pivavahana izany moa ny Minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny vadiny niaraka tamin’ireo lehiben’ny Polisim-pirenena isan-tsokajiny ary ireo Polisy miasa eto an-drenivohitra. Nanafana ny fotoana ny antoko mpihira avy eo anivon’ny Polisim-pirenena sy ny antoko mpihira avy ao amin’ny cathédrale Andohalo ary nanao ny fanentanana kosa dia ny vondrom-bavaka avy amin’ny Polisim-pirenena.

POLISIM-PIRENENA – FAMARANANA NY TAONA : NOFARANANA TAMIN’NY FOTOAM-PIVAVAHANA NO SADY FAMETRAHANA NY TAONA 2021 EO AMBANIN’NY FAHASOAVAN’ILAY NAHARY.

Vous pourrez aussi aimer