POLISY NARATRA TEO AM-PANATANTERAHANA NY ASANY TANY AMIN’NY FARITRA ANTSIRANANA : TSY NANADINO AZY IREO NY FIANAKAVIAMBEN’NY POLISIM-PIRENENA.

Toy ny tany Toamasina dia tsy namela irery ireo Polisy miisa roa naratra teo am- panatanterahana ny asany tany amin’ny faritra Antsiranana ny fianakamben’ny Polisim-pirenena fa nitsidika sy nampahery azy ireo.

Tonga teny amin’ny hopitaly Soavinandriana ireo lehiben’ny Polisy notarihin’ny Tale jeneraly nitondra ny fanampiana sy nankahery ilay Polisy mbola tsaboina tao an-toerana raha toa kosa ka teny Ivato tao amin’ny trano fonenan’ilay Polisy naratra iray hafa no namangy ireo Polisy notarihin’ny « Coordonateur Général de la Police Nationale ».

Ny Polisim-pirenena dia mirary fahasalamana sy fahasitranana haingana azy ireo indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao.

POLISY NARATRA TEO AM-PANATANTERAHANA NY ASANY TANY AMIN’NY FARITRA ANTSIRANANA : TSY NANADINO AZY IREO NY FIANAKAVIAMBEN’NY POLISIM-PIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer