AKANY AMBATOLAMPY : TSY ADINON’ NY POLISIM-PIRENENA NY NANOME FANAMPIANA IREO ZAZA KAMBOTY HIATREHANA NY TAONA VAOVAO

Taorian’ny fankalazana ny fetin’ny noely izay nitondrana fanomezana ho an’ireo ankizy kamboty dia tonga niditsika azy ireo indray ireo lehiben’ny Polisim-pirenena izay notarihin’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky ary koa ny Fikambanan’ny Vadina Polisy sy Polisy Vehivavy (FIVAPOVA).

Tsy vitan’ny nitsidika ireo Zaza kamboty izy ireo fa nisy ny fanampiana nomen’ireo mpanolo-tsaina manokana sy teknikan’ n’y Minisitry ny filaminam-bahoaka ,ny FIVAPOVA, ary ny Orinasa Mada Chine toy ny Vary , pâte, trousse de toilette, vatomamy sy ny maro hafa.

Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo moa ny fotoana niarahan’ny roa tonta.

 

AKANY AMBATOLAMPY : TSY ADINON’ NY POLISIM-PIRENENA NY NANOME FANAMPIANA IREO ZAZA KAMBOTY HIATREHANA NY TAONA VAOVAO

Vous pourrez aussi aimer