AVANCE CENTER BEHORIRIKA : VEHIVAVY IRAY NO TRATRAN’NY POLISY AMBODIOMBY NANGALATRA ENTANA TAO AMINA FIVAROTANA IRAY

Tonga ao amin’ny mpivarotra iray etsy amin’ny avance center etsy behoririka izy ireo dia ny sasany mody manontany sy mandrebireby ilay mpivarotra fa ny sasany kosa manararaotra mangalatra ny entana atsy ambadika. Nisy naAndiam-behivavy mody miantsena no miaraka ary mitety ireny toeram-pivarotana ireny. Rehefa hita io fihetsika ratsy nataon’ireto vehivavy ireto ary azo sary ao anatin’ireny « caméra de surveillance »ireny ka niantso Polisy avy hatrany ilay olona nahita izany.

Tratra ambodiomby teo am-pakana poketra sy kojakoja maro samihafa ity vehivavy hita amin’ny sary ity raha efa tsy hita intsony kosa ireo namany hafa.

Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ihany koa ny Polisy hijerena ireo namany hafa.

Ny Polisim-pirenena dia manentana antsika rehetra hitandrina indrindra amin’izao andro fety izao fa tsy kely lalana ny ratsy. Ankoatra ireo Polisy manao fanamiana sivily dia misy ireo Polisy manao fanamiana mivezivezy eny rehetra eny azo antsoina raha misy trangana tsy fandriam-pahalemana hitantsika. Ankoatra izay dia ireto ihany koa ny laharana hahazoana ny Polisy eto an-drenivohitra

Police secours :

020 22 281 70

034 05 531 20

AVANCE CENTER BEHORIRIKA : VEHIVAVY IRAY NO TRATRAN’NY POLISY AMBODIOMBY NANGALATRA ENTANA TAO AMINA FIVAROTANA IRAY

Vous pourrez aussi aimer