CORONAVIRUS :  » AZA MANDRIMANDRY MANANA ARETINA » – 1290 IREO TRATRA TSY NANAO AROTAVA NY ANDRON’NY OMALY TALATA SY NY ANIO

Marina fa tsy ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana intsony isika eto Madagasikara fa ny areti-mifindra CORONA mbola eto, Mbola tsy fongotra,mbola mamely na tsy mirongatra toy ny t@ taona 2020 aza.

Samy maniry ny tsy hiverenan’izany isika satria sarotra ho antsika ny hiverina hihiboka indray. Tohizo ny fanaovana ireo fihetsikasakana ara-pahasalamana ( Gestes barrière sanitaire ), toy ny fanasana tanana matetika, ny tsy fifampitakosonana, ny tsy fivorivoriana fa INDRINDRA INDRINDRA NY FANAOVANA ARO-VAVA ORONA. Arovy @ aretina ny tenanao, arovy koa ny hafa Dia ho lavitry ny aretina ny Firenentsika.

Ny Polisim-pirenena dia mampahatsiahy ny rehetra fa adidiny ny miaro ny mpiray tanindrazana @ fahavalo iombonana mety hanimba sy hamotika, noho izany dia hanohy hanasazy ireo izay minia tsy manao Aro-vava orona na manao ihany fa atao ambany saoka.

Ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay no zava-dehibe fa tsy ny fanasaziana ka aoka tsy ny Polisy no atahorana fa ny Coronavirus

 

CORONAVIRUS :  » AZA MANDRIMANDRY MANANA ARETINA » – 1290 IREO TRATRA TSY NANAO AROTAVA NY ANDRON’NY OMALY TALATA SY NY ANIO

Vous pourrez aussi aimer