POLISY NAMPIDITRA VIOLON RENIM-PIANAKAVIANA TAO MANANDRIANA : NANOKAFANA FANADIHADIANA ARY ANDRAISANA FEPETRA

Manoloana ny tranga namoizana Renim-pianakaviana iray tany amin’ny Distrikan’i MANANDRIANA ny 02 janoary 2021. Ny Minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny fianakaviambean’ny Polisim-pirenena dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’i Tompokovavy ary mirary fiononana feno.

Ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka dia efa nandray ny andraikitra tandrify azy ka nanokatra fanadihadiana anatiny eo anivon’ny Inspection Generale de la Police Nationale (IGPN) ho an’ilay Polisy nampiditra violon ity Renim-pianakaviana ity sy izay mety ho niray tendro taminy.

Ny Polisim-pirenena dia miasa hatrany ao anatin’ny fanarahan-dalàna ka tsy miray tsikombakomba amin’izay Polisy manao fahadisoana, manao fandikan-dalàna. Ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka dia manamafy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka ao amin’ny Distrikan’ny MANANDRIANA.

Misy ihany koa ny laharana hahazoana ny Polisim-pirenena raha toa ka misy ny Polisy manao fandikan-dalàna hitantsika eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

– INSPECTION GÉNÉRALE DE LA POLICE NATIONALE :

034 15 367 20

POLISY NAMPIDITRA VIOLON RENIM-PIANAKAVIANA TAO MANANDRIANA : NANOKAFANA FANADIHADIANA ARY ANDRAISANA FEPETRA

Vous pourrez aussi aimer