CSP3 – FANENDAHANA AN’ELAKELANTRANO ENY AMIN’NY FARITRA ANKADIFOTSY : TRA-TEHAKY NY POLISY IREO TOVOLAHY MIARAKA AMIN’NY ANTSY LAVA MPANAO IZANY

Taorian’ny fisafoana nataon’ny Polisy ny boriborintany fahatelo amin’ny alina teny an’elakelatranon’ Ankadifotsy sy ny manodidina dia nifanena tamin’ny Polisy ity Tovolahy nitondra Antsy lava ity saika hanendaka ireo olona mody Alina amin’iny faritra iny. Nambarany fa tsy izy irery no manao io asa ratsy io fa miaraka amin’ny tovolahy miisa 02 namany izay natorony ny misy azy ireo. Voasambotra ihany koa ireto namany ireto izay vao 15 taona.

Fantatra taorian’ny fanadihadiana fa izy ireo no isany mpanendaka mamono sy mandratra olona eny amin’iny faritra iny.

Tsara ihany koa ny manamarika fa ny Alatsinainy lasa teo no tra-tehaky ny Polisy tao amin’ny fasan’Anjanahary ny Lehilahy nitondra basy vita gasy izay mpanendaka eny amin’iny faritra Anjanahary iny.

Mitohy ny fisafoana ataon’ny Polisy amin’ireny faritra mangina ireny na andro na Alina ary ankasitrahana ny fanomezam-baovao omen’ireo tsara sitrapo hoentina mamongotra ireo olon-dratsy.

CSP3 – FANENDAHANA AN’ELAKELANTRANO ENY AMIN’NY FARITRA ANKADIFOTSY : TRA-TEHAKY NY POLISY IREO TOVOLAHY MIARAKA AMIN’NY ANTSY LAVA MPANAO IZANY

Vous pourrez aussi aimer