FANADINANA HIDIRANA HO POLISY : ATAO NY SABOTSY 27 SY ALAHADY 28 FEBROARY HO AVY IZAO

Fampahatsiahivana ho an’ireo nametraka antontan-taratasy handray anjara amin’ny fifaninanana handraisana mpianatra ho Polisy fa ny fanadinana dia hotanterahana ny Sabotsy 27 sy ny alahady 28 febroary 2021 (faran’ny herinandro, andro tsy fiasana) ho avy izao.

Ho an’ireo mpifaninana ho mpianatra COMMISSAIRES SY OFFICIERS DE POLICE dia any amin’ireo RENIVOHIM-PARITANY TEO ALOHA ; ho an’ny mpifaninana ho MPIANATRA INSPECTEURS SY AGENTS DE POLICE kosa isaky ny FOIBEM-PARITRA NY FILAMINAM-BAHOAKA no misy ny foibe fanadinana.

Mialoha izany anefa dia iangaviana isika mba hanatona ny sampandraharaha misahana ny Fanoratana anarana « Service central du Recrutement » Anosy Antananarivo na ny Foibem-paritra ny Filaminam-bahoaka « Direction Régionale de la Police Nationale » isam-paritra akaiky antsika tsirairay avy, manomboka ny Sabotsy 13 febroary 2021, mba hijery ny peta-drindrina ahitana ny lisitry ny kandida nahafeno ny fepetra ara-dalàna tamin’ny filatsahana ho mpiadina ka afaka miatrika ny fanadinana.

Raha misy fanampim-panazavana tiana ho fantatra dia manatona Foibem-paritry ny Foibem-paritra Filaminam-bahoaka.

Ny toerana hanatanterahana ny fanadinana sy ny taratasy fiantsona dia azo anontaniana any amin’ireo Foibem-panadinana hiadinan’ny mpiadina manomboka ny 23 febroary 2021.

FANADINANA HIDIRANA HO POLISY : ATAO NY SABOTSY 27 SY ALAHADY 28 FEBROARY HO AVY IZAO

Vous pourrez aussi aimer