PMPM – BFP – HERISETRA MIFOTOTRA AMIN’NY MAHALAHY NA AMIN’NY MAHAVAVY : NANAO FANENTANANA IREO MPANABE AO AMIN’NY DISTRIKAN’NY EKAR FALIARIVO NY POLISIM-PIRENENA

Efa manomboka sahy mitoroka eny anivon’ny Polisy ireo olona hianjadian’ny herisetra eny anivon’ny fiaraha-monina. Etsy andaniny, mitohy hatrany ny fanentanana ataon’ny Polisy mahakasika ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na amin’ny mahavavy.

Mpampianatra miisa 60 izay misahana mpianatra 1500 avy amin’ny sekoly katolika miisa 06 ao amin’ny Distrika EKAR Faliarivo no nanaovana ny fanentanana nataon’ny Polisy misahana ny Zaza tsy ampy taona sy ny « Brigade Féminine de Proximité etsy Tsaralalàna.

Ny tanjon’ny fanentanana moa dia ny fampahafantarana azy ireo ny lalàna manan-kery sy ny fampitana amin’ireo ankizy ny fomba fiarovany ny tenany. Amin’ny maha Ray aman-dreny ireto mpanabe ireto dia natoro azy ireo ihany koa ny adidin’ny Ray aman-dreny amin’ny fiarovana ny zanany sy ny zo ananan’ny tsirairay.

Ireo mpanabe nahazo ity fanentanana ity moa dia hampita izany amin’ireo mpianany ary hisy ihany koa ny fotoana hiarahan’ireo mpanabe amin’ireo Ray aman-dreny sy ny mpianatra ary hamelabelaran’izy ireo ny herisetra mianjady amin’ny mahalahy na amin’ny mahavavy.

PMPM – BFP – HERISETRA MIFOTOTRA AMIN’NY MAHALAHY NA AMIN’NY MAHAVAVY : NANAO FANENTANANA IREO MPANABE AO AMIN’NY DISTRIKAN’NY EKAR FALIARIVO NY POLISIM-PIRENENA

Vous pourrez aussi aimer