SERVICE ANTI-GANG – ANDIAN-JIOLAHY MITAM-BASY SAIKA HANAO FANAFIHANA TETSY ANOSIZATO : 03 LAHY LAVON’ NY BALAN’NY POLISY

Hampiasa ny heriny hatrany ny Polisim-pirenena ary tsy hitsitsy manoloana ireo andian-jiolahy mitondra fitaovam-piadiana vonona handroba sy hamono ny vahoaka Malagasy. Toy izany ny nahazo ireto olon-dratsy nitondra basy ireto raha saika hanafika mpivaro-kena iray tetsy amin’ny fasan’ny karana omaly alina ka lavon’ ny balan’ny Polisy ny 03 tamin’ireo jiolahy .

Miisa 10 lahy eo ho eo niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana ireto olon-dratsy saika hanafika ireto saingy efa niandry azy ireo ihany koa ny Polisy. Nisy ny fifampitifirana teo amin’izy ireo sy ny mpitandro ny filaminana ka izay no nahafaty ireo jiolahy miisa 03 voalaza etsy ambony raha tafatsoaka kosa ny ambiny.

Isaorana sy ankasitrahana ny fanomezam-baovao avy amin’ireo olona tsara sitrapo ka nahafahana nisoroka iny fanafihana mitam-piadiana iny ary tsy mijanona hatreo akory ny fanenjehana ireo olon-dratsy fa mbola mitohy ny fikarohana sy ny fanadihadiana.

SERVICE ANTI-GANG – ANDIAN-JIOLAHY MITAM-BASY SAIKA HANAO FANAFIHANA TETSY ANOSIZATO : 03 LAHY LAVON’ NY BALAN’NY POLISY

Vous pourrez aussi aimer