TSY FANARAHAN -DALANA ATAON’IREO FIARA MPITATITRA : FIARA TAXIBE MIISA 33 TRATRAN’NY POLISY TSY MANARA-DALANA TAO ANATIN’NY ORA IRAY MONJA

Hita tato ho ato fa miha goragora ny fanajan’ireo fiara fitateram-bahoaka ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana , ary maro ireo mpandeha no mitaraina amin’ny tsy fanajana ny tolotra omena azy ireo fa indrindra ny tsy fanarahana ireo fitsipika hiadiana amin’ilay valan’aretina covid-19.

Tao anatin’ny ora iray monja dia miisa 33 ireo taxi-be tsy manara-dalàna :

04 ireo tratra manao seza dimy dimy

12 ny resevera tsy manao arovava orona sy tsy manana gel « désinfectant »

16 ireo tsy manana antontan-taratasy feno (misy amin’izy ireo no tsy nahitana antontan-taratasy mihitsy)

01 nandositra ny sakana nataon’ny Polisy no tsy nahitana antontan-taratasy

30 ireo olona noentin’ireo fiara tsy manao arovava orona

Manoloana ireo rehetra ireo dia tsy hilefitra ny Polisy amin’ny fanasaziana ireo fiara iombonana izay tsy manara-dalàna ary hanamafy ny fisavana ho fiarovana ny olona amin’ny fiparitahan’ilay valan’aretina covid-19 no sady mandray ny andraikiny amin’ireo fiara tsy manaja ny lalàn’ny fifamoivoizana.

AZA MIANDRY NY POLISY HISAVA SY HANDRAY FEPETRA TOMPOKO VAO HANARA-DALANA

TSY FANARAHAN -DALANA ATAON’IREO FIARA MPITATITRA : FIARA TAXIBE MIISA 33 TRATRAN’NY POLISY TSY MANARA-DALANA TAO ANATIN’NY ORA IRAY MONJA

Vous pourrez aussi aimer