CSP 7 67HA – MPIVAROTRA SY MPANAMBOATRA MOTO ETSY ANDOHATAPENAKA : NOENTIN’NY POLISY ANY AMIN’NY KAOMISARIA NOHO NY TSY FAHAIZA-MIAINA

Nobahanan’ireto tovolahy amin’ny fivarotana sy fanamboarana moto ny lalan’ny mpandeha an-tongotra etsy Andohatapenaka akaikin’ny FDC. Ankoatra izay dia tsy misy ny fanajana ireo mpandeha ,eny na hatramin’ireo vehivavy bevohoka aza dia mahazo teny marary avy amin’izy ireo . Manoloana izany tsy fahaizana miaina izany dia noesorin’ny Polisy ireo moto mibahana « trottoir » izay marihina fa ny « trottoir » dia atao ho an’ny mpandeha an-tongotra.

Noentina avy hatrany nankeny amin’ny kaomisaria ny tompon’ilay fanamboarana moto niaraka tamin’ilay tovolahy mpanamboatra moto tsy mahay manaja olona .

Nanarina sy nomena fampitandremana ireto farany mba tsy hametraka ireo moto eny amin’ny trottoir fa indrindra mba tsy hanao tsinontsinona amin’ny mpiara-belona aminy fa hanaja azy na amin’ny fiteny na amin’ny fitondran-tena.

CSP 7 67HA – MPIVAROTRA SY MPANAMBOATRA MOTO ETSY ANDOHATAPENAKA : NOENTIN’NY POLISY ANY AMIN’NY KAOMISARIA NOHO NY TSY FAHAIZA-MIAINA

Vous pourrez aussi aimer