IZAY MAMBOLY HAZO MANAVOTRA NY FIRENENA, IZAY MANDORO ALA MANDORO NY TANINDRAZANA : MITOHY HATRANY NY FAMBOLEN-KAZO ATAON’NY POLISIM-PIRENENA ANY AMIN’NY FARITRA MARO SAMIHAFA

Tsy mijanona ny fanatanterahana fambolen-kazo ho fiarovana ny tontolo iainana ary manao sesilany izany ho an’ireo faritra maro samihafa eto Madagasikara

Nanatanteraka izany ireo Polisy miasa ao amin’ny faritra Betsiboka niaraka tamin’ireo Vadina Polisy sy Polisy Vavy ( FIVAPOVA ) ka zanan-kazo miisa 400 no voavoly tamin’izany.

Ny Polisy miasa any amin’ny faritra Sava kosa dia miisa 320 no hazo novolena ary tsy mijanona eo akory ny asa fa ho tanterahina in-telo miantoana ny hetsika ankoatra ny fanaraha-maso ireo hazo efa novolena.

Miisa 1100 ireo zana-kazo novolen’ny Polisy misy ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony ka 400 no novolen’ny Polisy ao Ambalavao raha 700 kosa no voavolin’ny Polisy miasa ao Fianarantsoa.

Ho an’ireo Polisy miasa ao Belo sur Tsiribihina kosa dia miisa 300 ireo zanan-kazo nambolena. Anisan’ny nanao fambolen-kazo ihany koa ny Polisy miasa any Betroka any amin’ny faritra Anôsy.

IZAY MAMBOLY HAZO MANAVOTRA NY FIRENENA, IZAY MANDORO ALA MANDORO NY TANINDRAZANA : MITOHY HATRANY NY FAMBOLEN-KAZO ATAON’NY POLISIM-PIRENENA ANY AMIN’NY FARITRA MARO SAMIHAFA

Vous pourrez aussi aimer