KIANJA BAREA MAHAMASINA – HALATRA FITAOVANA : MIARAKA AMIN’NY FIARA MIHITSY IRETO ANDIAN-DEHILAHY NO TRATRAN’NY POLISY NAMOAKA IREO FITAOVANA ENTINA HANAMBOARANA NY KIANJA

Vao tsy ela akory ny Polisy no nahasambotra andian-dehilahy nangalatra fitaovana fanamboarana ny kianjan’ny barea. Izao indray dia lehilahy miisa 05 no tratran’ny Polisy namoaka fitaovana toy ny vy sns ivelan’ny kianja.

Amin’ny 01 ora maraina ireto andian-dehilahy ireto no namoaka ireo entana ary efa misy mihitsy ny fiara 01 miandry tsy lavitra eo hitaterana ireo entana avy nangalarina.

Tsy nampoizin’ireo anefa ny fidinan’ny Polisy tampoka teny amin’ny toerana ka dia noraisim-potsiny niaraka tamin’ireo fitaovana nangalariny sy ilay fiara izy ireo. Nosamborina avy hatrany ireto lehilahy ireto ary nanokafana fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.

KIANJA BAREA MAHAMASINA – HALATRA FITAOVANA : MIARAKA AMIN’NY FIARA MIHITSY IRETO ANDIAN-DEHILAHY NO TRATRAN’NY POLISY NAMOAKA IREO FITAOVANA ENTINA HANAMBOARANA NY KIANJA

Vous pourrez aussi aimer