TOROMARIKA MIKASIKA NY HANATONTOSANA NY FANADINANA FIHODINANA FAHAROA AMIN’NY FIFANINANA HANDRAISANA MPIANATRA HO POLISY MIISA 1250 TAONA 2020-2021                                                                                                    

                                                                                                                   

Taorian’ny “POINT DE PRESSE” izay natao ny 05/05/21 nanomboka tamin’ny 11ora tao amin’ny SALLE OPS n’ny Polisim-pirenena Anosy Antananarivo, dia toy izao manaraka izao ny andinindininy tsara ho fantatra ho fanomanana ny dingana faharoa amin’ny fanadinana:

1- Ny toromarika voalaza manaraka etoana dia mety hisy fanovana hatrany arakaraky ny fivoaran’ny hamehana ara-pahasalamana apetraky ny fitondram-panjakana eto Madagasikara.

2- Ho an’ireo mpiadina afaka tamin’ny fanadinana fihodinana voalohany amin’ny fifaninanana handraisana mpianatra ho polisy miisa 1250, taona 2020-2021, ihany no afaka hiatrika ny fanadinana fihodinana faharoa.

3- Ny valim-panadinana dia atao peta-drindrina isaky ny sampandraharahan’ny Polisim-Pirenena manerana ny Nosy sy amin’ny “site web de la Police Nationale” : https://www.pn.gov.mg

4- Ho tanterahana manomboka ny 31 may 2021 izany fihodinana faharoa izany.

5- Ho fampatsiahivana dia mizara telo ny taranja hanadinana :

– Taranja “Entretien et Examen Oral” ho an’ny sokajy rehetra ;

– Taranja “Education Physique et Sportive” ho an’ny sokajy rehetra ;

– Taranja “Test Psychotechnique” ho an’ny sokajy “Elèves Commissaires de Police, Elèves Officiers de Police ary ny Elèves Inspecteurs de Police”.

6- Ny “Visite médicale (CM2)” dia ho tanterahan’ny mpiadina araky ny toromarika izay ho ampitaina amin’ny fotoana manaraka. Toy izany koa ny fanatanterahana ny “contre-toise” sy ny “Enquête de    moralité”.

7- Ny toerana hanatanterahana ny fanadinana fihodinana faharoa dia toy izao manaraka izao :

– Ho an’ny sokajy “Elèves Commissaires de Police, Elèves Officiers de Police ary ny Elèves Inspecteurs de Police dia ao amin’ny “Direction Générale de la Police Nationale” Anosy Antananarivo;

– Ho an’ny sokajy “Elèves Agents de Police” kosa dia mitsinjara toy izao :

– Ny mpiadina afaka tamin’ny fihodinana voalohany tao amin’ny Foibem-panadinana Antananarivo sy Antsirabe dia ao amin’ny “Direction Générale de la Police Nationale” Anosy Antananarivo ;

– Ny mpiadina afaka tamin’ny fihodinana voalohany tao amin’ny Foibem-panadinana Antsiranana sy Sambava dia ao amin’ny “Direction Régionale de la Sécurité Publique” Antsiranana (Faritra Diana);

– Ny mpiadina afaka tamin’ny fihodinana voalohany tao amin’ny Foibem-panadinana Toamasina sy Ambatondrazaka dia ao amin’ny “Direction Régionale de la Sécurité Publique” Toamasina (Faritra Atsinanana);

– Ny mpiadina afaka tamin’ny fihodinana voalohany tao amin’ny Foibem-panadinana Mahajanga sy Antsohihy dia ao amin’ny “Direction Régionale de la Sécurité Publique” Mahajanga (Faritra Boeny);

– Ny mpiadina afaka tamin’ny fihodinana voalohany tao amin’ny Foibem-panadinana Fianarantsoa sy Ambositra ary Manakara dia ao amin’ny “Direction Régionale de la Sécurité Publique” Fianarantsoa (Faritra Haute Matsiatra);

– Ny mpiadina afaka tamin’ny fihodinana voalohany tao amin’ny Foibem-panadinana Toliara sy Morondava ary Tolagnaro dia ao amin’ny “Direction Régionale de la Sécurité Publique” Toliara (Faritra Atsimo Andrefana);

8- Ny mpiadina hamonjy ny toeram-panadinana misy azy avy dia mitondra ny karam-panondrony sy ny “Extrait du résultat” izay misy ny anarany ka atao “certification” amin’ny sampandraharahan’ny

Polisim-Pirenena akaiky azy, entina hanamorana ny “Voyage” izay ho ataony.

9- Ny fikarakarana rehetra ankoatra ny voalaza teo dia ho ampitaina amin’ny fotoana mahamety izany.

10- Raha mila fanampim-panazavana dia afaka miantso ny laharana finday 034 05 559 55 sy amin’ny “whatsApp” laharana 034 08 643 11 amin’ny “Chef de Service Central du Recrutement”.