{"id":13562,"date":"2025-11-05T11:20:33","date_gmt":"2025-11-05T08:20:33","guid":{"rendered":"https:\/\/www.pn.gov.mg\/?p=13562"},"modified":"2025-11-05T11:20:34","modified_gmt":"2025-11-05T08:20:34","slug":"raharaha-fanararaotana-tera-tany-malagasy-nampanaovina-asa-an-terivozona-tany-cambodge-lehilahy-iray-voasambotry-ny-polisimpirenena-ary-efa-nidoboka-am-ponja","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/www.pn.gov.mg\/index.php\/2025\/11\/05\/raharaha-fanararaotana-tera-tany-malagasy-nampanaovina-asa-an-terivozona-tany-cambodge-lehilahy-iray-voasambotry-ny-polisimpirenena-ary-efa-nidoboka-am-ponja\/","title":{"rendered":"RAHARAHA FANARARAOTANA TERA-TANY MALAGASY NAMPANAOVINA ASA AN-TERIVOZONA TANY CAMBODGE : LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA ARY EFA NIDOBOKA AM-PONJA."},"content":{"rendered":"<div id=\"pl-13562\"  class=\"panel-layout\" ><div id=\"pg-13562-0\"  class=\"panel-grid panel-no-style\" ><div id=\"pgc-13562-0-0\"  class=\"panel-grid-cell\" ><div id=\"panel-13562-0-0-0\" class=\"so-panel widget widget_text panel-first-child panel-last-child\" data-index=\"0\" >\t\t\t<div class=\"textwidget\"><p>&#8211; Ady amin\u2019ny famarinan\u2019olombelona sy asa an-tery mifandraika amin\u2019ny fanandevozana<br \/>\n&#8211; Nosamborin\u2019ny Polisy miasa ao amin\u2019ny Service Central des Enqu\u00eates Sp\u00e9cialis\u00e9es et de la Lutte contre les Fraudes (SCESLF) ny 31 oktobra 2025 ny lehilahy iray, izay tompon\u2019antoka amin\u2019ny raharaha famarinan\u2019olombelona ka nahavoakasika teratany malagasy maromaro tany Cambodge ny fiandohan\u2019ny volana Oktobra 2025 teo.<br \/>\n&#8211; Niely tao amin\u2019ny tambajotra Facebook ny sary mampiseho ny fiainan\u2019ireo tanora malagasy nila ravinahitra tany Cambodge izay niharan\u2019ny fanararaotana sy asa an-terivozona ka miendrika famarinan\u2019olombelona izany.<br \/>\n&#8211; Araka ny fanadihadiana nataon\u2019ny Polisimpirenena tamin\u2019ireo lasibatra dia tao amin\u2019ny tambajotran-tserasera Facebook, WhatsApp na TikTok no nahit\u00e0n\u2019izy ireo tolotr&rsquo;asa na ihany koa fampiofanana arak&rsquo;asa any Cambodge. Fampiofanana arak&rsquo;asa maimaim-poana ary arahana tolotr\u2019asa izy io, na asa avy hatrany izay lazaina fa tafiakatra 700 Dolara na maherin\u2019ny 3 tapitrisa ariary ny karama.<br \/>\n&#8211; Rehefa tonga tany amin\u2019ilay toerana nias\u00e0na anefa dia nogiazana avy hatrany ny pasipaoro sy ny antontan-taratasy rehetra momba azy ireo, nambenana tamin\u2019ny mpiambina mitam-basy, ary nampanaovina asa an-terivozona toy ny fisolokiana amin\u2019ny internet.<br \/>\n&#8211; Miisa 16 mianadahy no efa tafody eto Madagasikara tamin\u2019ireo malagasy nampiasaina nampanaovina asa an-terivozona tany Cambodge ireo ankehitriny, ary efa misy voasambotry ny Polisy any an-toerana ny tompon\u2019antoka tamin\u2019izany.<br \/>\n&#8211; Tamin\u2019ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana an\u2019ilay malagasy izay mpifandray amin\u2019ireo avy any Cambodge ka manamora ny fikarakar\u00e0na ny fandefasana azy ireo any. Samy nakan\u2019ilay tompon\u2019antoka 5 alina sy 7 hetsy ariary avy ireo lasibatra. Nahazo 25 dolara na 1 hetsy ariary isan\u2019olona tamin\u2019ireo malagasy nalefany tany ivelany kosa izy tamin\u2019ireo olona avy any Cambodge miray tsikombakomba aminy.<br \/>\n&#8211; Rehefa natolotra ny fampanoavana ity lehilahy ity ny 3 novambra 2025 dia nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora.<br \/>\n&#8211; Ny Polisimpirenena dia manentana hatrany ny mpiray Tanindrazana mba hitandrina tsara sy hanamarina hatrany amin\u2019ireo tolotra asa any ivelany mba hisorohana ny tranga tahaka izao. Mbola mitohy ny fanadihadiana raha ny mahakasika an&rsquo;ity raharaha ity manokana.<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<\/div>\n\t\t<\/div><\/div><\/div><\/div>","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>&#8211; Ady amin\u2019ny famarinan\u2019olombelona sy asa an-tery mifandraika amin\u2019ny fanandevozana &#8211; Nosamborin\u2019ny Polisy miasa ao amin\u2019ny Service Central des Enqu\u00eates Sp\u00e9cialis\u00e9es et de la Lutte contre les Fraudes (SCESLF) ny 31 oktobra 2025 ny lehilahy iray, izay tompon\u2019antoka amin\u2019ny raharaha<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":13564,"comment_status":"closed","ping_status":"closed","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[1],"tags":[],"class_list":["post-13562","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-non-classe"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/www.pn.gov.mg\/index.php\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/13562","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/www.pn.gov.mg\/index.php\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/www.pn.gov.mg\/index.php\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.pn.gov.mg\/index.php\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.pn.gov.mg\/index.php\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=13562"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/www.pn.gov.mg\/index.php\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/13562\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":13565,"href":"https:\/\/www.pn.gov.mg\/index.php\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/13562\/revisions\/13565"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/www.pn.gov.mg\/index.php\/wp-json\/wp\/v2\/media\/13564"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/www.pn.gov.mg\/index.php\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=13562"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/www.pn.gov.mg\/index.php\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=13562"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/www.pn.gov.mg\/index.php\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=13562"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}